에스더 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스더 (Esther) · 23절
- 1 Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an’ i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
- 2 Ka dia hoy ireo zatovon’ ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
- 3 ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin’ ny isan-tokony eran’ ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin’ ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin’ ny fehin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
- 4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an’ i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
- 5 Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak’ i Jaïra, zanak’ i Simey, zanak’ i Kisy, avy tamin’ ny taranak’ i Benjamina,
- 6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin’ ny babo izay nentina niaraka tamin’ i Jekonia, mpanjakan’ ny Joda, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona.
- 7 Ary izy nitaiza an’ i Hadasa (Estera izany), zanakavavin’ ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin’ i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
- 8 Koa nony re ny tenin’ ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin’ ny fehin’ i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon’ ny mpanjaka koa Estera ho amin’ ny fehin’ i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
- 9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
- 10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan’ i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
- 11 Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan’ ny kianjan’ ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran’ i Estera sy izay anaovana azy.
- 12 Ary nony tonga ny andro hidiran’ ny zazavavy tsirairay isan’ andro tany amin’ i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin’ ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin’ izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin’ ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin’ ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan’ ny vehivavy),
- 13 koa nony hiditra ao amin’ ny mpanjaka ny zazavavy tamin’ izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin’ ny tranom-behivavy ho ao an-tranon’ ny mpanjaka.
- 14 Tamin’ ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ ny vehivavy, ho amin’ ny fehin’ i Sasegaza, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
- 15 Ary rehefa tonga ny anjara-andron’ i Estera, zanakavavin’ i Abihaila, rahalahin-drain’ i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason’ ny olona rehetra izay nijery azy.
- 16 Dia nentina ho ao amin’ i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon’ ny fanjakana, tamin’ ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin’ ny taona fahafito nanjakany.
- 17 Ary tian’ ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’ i Vasty.
- 18 Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan’ i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an’ ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
- 19 Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka Mordekay.
- 20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan’ i Mordekay azy ihany; fa ny tenin’ i Mordekay dia nankatoavin’ i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
- 21 Tamin’ izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka izy.
- 22 Ary fantatr’ i Mordekay izany ka nambarany tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka; dia nambaran’ i Estera tamin’ ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain’ i Mordekay azy.
- 23 Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin’ ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin’ ny bokin’ ny tantara teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗