에스겔 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 11절
- 1 Ary niantso tamin’ ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
- 2 Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin’ ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan’ ny alitara varahina.
- 3 Ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin’ ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany.
- 4 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
- 5 Ary reko Izy nanao tamin’ ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
- 6 Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin’ ny fitoerako masìna izany. Dia nanomboka tamin’ ny lahy antitra izay teo anoloan’ ny trano ireo.
- 7 Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
- 8 Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin’ ny Isiraely amin’ izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’ i Jerosalema izao?
- 9 Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’ ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran’ olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
- 10 Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.
- 11 Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗