에스겔 37장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 28절
- 1 Tao amiko ny tànan’ i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran’ i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ ny lohasaha feno taolana aho.
- 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin’ ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
- 3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak’ olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
- 4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ i Jehovah!
- 5 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;
- 6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
- 7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho, dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
- 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
- 9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’ olona, ka ataovy amin’ ny fofonaina hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Manatona avy amin’ ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
- 10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran’ ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin’ ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
- 11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’ Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
- 12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely;
- 13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ ny fasanareo.
- 14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
- 15 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 16 Ary ianao, ry zanak’ olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an’ ny Joda sy ho an’ ny zanak’ Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an’ i Josefa dia tapa-kazon’ i Efraima sy ho an’ ny taranak’ Isiraely namany rehetra.
- 17 Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
- 18 Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin’ izany va ianao?
- 19 dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’ i Josefa, izay eny an-tanan’ i Efraima, sy ny firenen’ ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin’ ny tapa-kazon’ i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
- 20 Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
- 21 Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak’ Isiraely avy any amin’ ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ ny taniny:
- 22 ary hataoko ho firenena iray any amin’ ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’ izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
- 23 Ary tsy handoto tena amin’ ny sampiny, na amin’ ny fahavetavetany, na amin’ ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin’ ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
- 24 Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
- 25 Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko an’ i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
- 26 Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masìna eo aminy mandrakizay.
- 27 Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
- 28 Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasìna ny Isiraely amin’ ny isian’ ny fitoerako masìna eo aminy mandrakizay.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗