에스겔 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 26절
- 1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
- 3 Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron’ i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
- 4 Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
- 5 Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.
- 6 Izao no lazain’ i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an’ i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan’ ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
- 7 Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.
- 8 Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
- 9 Amin’ izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin’ ny andro namelezana an’ i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
- 10 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak’ i Egypta.
- 11 Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an’ i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
- 12 Hahatankina an’ i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
- 13 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin’ ny tany Egypta;
- 14 Handrava an’ i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i No;
- 15 Hampidina ny fahatezerako amin’ i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
- 16 Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian’ ny fahavalo antoandro.
- 17 Ny zatovon’ i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
- 18 Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan’ i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; Ho voasaron’ ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
- 19 Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an’ i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
- 20 Ary tamin’ ny andro fahafito tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 21 Ry zanak’ olona, ny sandrin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
- 22 Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
- 23 Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa.
- 24 Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin’ i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan’ ny voatrabaka izy.
- 25 Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin’ i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.
- 26 Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗