에스겔 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 14절
- 1 Ary manaova hira fahalahelovana ny amin’ ireo andrianan’ ny Isiraely ianao,
- 2 ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin’ ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin’ ny liona tanora?
- 3 Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
- 4 Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin’ ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin’ ny tany Egypta izy.
- 5 Ary nony hitan’ ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
- 6 Ary nivoivoy teny amin’ ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
- 7 Ary nisavika ny mpitondratenan’ ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin’ izay rehetra tao aminy. Noho ny feon’ ny fierony.
- 8 Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin’ ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin’ ny lavaka izy.
- 9 Ary nataony tamin’ ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy, nentiny ho ao amin’ ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
- 10 Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin’ ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon’ ny rano be,
- 11 Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an’ izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin’ ny rahona matevina, ary niseho tamin’ ny hahavony izy noho ny hamaroan’ ny rantsany.
- 12 Nefa nongotana tamin’ ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon’ ny afo ireny.
- 13 Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin’ ny tany maina karankaina izy.
- 14 Ary afo no mivoaka avy amin’ ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗