에스겔 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: | And the word of the Lord came unto me, saying, |
| 2 | Ry zanak’ olona, inona no ihoaran’ ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ ny hazo any an’ ala? | Son of man, What is the vine tree more than any tree, or than a branch which is among the trees of the forest? |
| 3 | Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra? | Shall wood be taken thereof to do any work? or will men take a pin of it to hang any vessel thereon? |
| 4 | Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon’ ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy? | Behold, it is cast into the fire for fuel; the fire devoureth both the ends of it, and the midst of it is burned. Is it meet for any work? |
| 5 | Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon’ ny afo sy may izy? | Behold, when it was whole, it was meet for no work: how much less shall it be meet yet for any work, when the fire hath devoured it, and it is burned? |
| 6 | Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin’ ny hazo any an’ ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema. | Therefore thus saith the Lord God; As the vine tree among the trees of the forest, which I have given to the fire for fuel, so will I give the inhabitants of Jerusalem. |
| 7 | Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin’ ny afo izy nefa ho levon’ ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako. | And I will set my face against them; they shall go out from one fire, and another fire shall devour them; and ye shall know that I am the Lord, when I set my face against them. |
| 8 | Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo. | And I will make the land desolate, because they have committed a trespass, saith the Lord God. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL