야고보서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 야고보서 (James) · 17절
- 1 Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ ny momba ny tenanareo?
- 2 Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
- 3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ ny filanareo.
- 4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy.
- 5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masìna? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ ny fahasaro-piaro.
- 6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.
- 7 Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
- 8 Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
- 9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
- 10 Manetre tena eo anatrehan’ ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
- 11 Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.
- 12 Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
- 13 He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
- 14 kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
- 15 Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
- 16 Fa izao dia mirehareha amin’ ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
- 17 Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗