야고보서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 야고보서 (James) · 26절
- 1 Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’ olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ ny voninahitra.
- 2 Fa raha misy olona miditra eo amin’ ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
- 3 koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin’ ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin’ ny fitoeran-tongotro,―
- 4 moa tsy miangatra va ianareo amin’ izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?
- 5 Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’ Andriamanitra va ny malahelo amin’ izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
- 6 Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’ ny fitsarana?
- 7 Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?
- 8 Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masìna hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, dia manao tsara ianareo.
- 9 Fa raha mizaha tavan’ olona kosa ianareo, dia manota ka helohin’ ny lalàna ho mpanota.
- 10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha dia meloka amin’ izy rehetra.
- 11 Fa Ilay nanao hoe: “Aza mijangajanga” no nanao hoe koa: “Aza mamono olona”. Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
- 12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ ny lalàn’ ny fahafahana.
- 13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
- 14 Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
- 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’ andro,
- 16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ ny tenany, inona moa no soa azo amin’ izany?
- 17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
- 18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ ny asako.
- 19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,― ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
- 20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
- 21 Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ isaka zanany teo ambonin’ ny alitara?
- 22 Hitanao fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa;
- 23 ary tanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: “Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany”, ary natao hoe “Sakaizan’ Andriamanitra” izy.
- 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany.
- 25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ ny asa va izy tamin’ ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ ny lalan-kafa?
- 26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗