아가 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아가 (Song of Songs) · 12절
- 1 Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
- 2 Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ ny tanimboly sy hioty ny lilia.
- 3 An’ ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ ny lilia.
- 4 Tsara tarehy tahaka an’ i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’ i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva.
- 5 Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’ i Gileada.
- 6 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
- 7 Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao.
- 8 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
- 9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin’ izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
- 10 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva?
- 11 Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongabendanitra.
- 12 Tsy nampoiziko ny nanandratan’ ny fanahiko ahy ho eo amin’ ny kalesin’ ny fireneko be voninahitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗