로그인

신명기 34장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 12절

  1. 1 Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’ i Pisga, izay tandrifin’ i Jeriko. Ary nasehon’ i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
  2. 2 sy Naftaly rehetra sy ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin’ ny Joda rehetra hatramin’ ny ranomasina andrefana
  3. 3 ary ny tany atsimo sy ny ao amin’ ny lohasahan’ i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
  4. 4 Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
  5. 5 Ary Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia maty teo amin’ ny tany Moaba araka ny tenin’ i Jehovah.
  6. 6 Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ ny tany Moaba, tandrifin’ i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
  7. 7 Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
  8. 8 Ary ny Zanak’ Isiraely nisaona an’ i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’ i Mosesy.
  9. 9 Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
  10. 10 Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ ny Isiraely tahaka an’ i Mosesy, izay fantatr’ i Jehovah nifanatrika
  11. 11 tamin’ ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan’ i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
  12. 12 ary tamin’ ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon’ i Mosesy teo imason’ ny Isiraely rehetra.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗