신명기 33장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 29절
- 1 Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
- 2 Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.
- 3 Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan’ ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin’ ny teninao.
- 4 Lalàna no nandidian’ i Mosesy antsika Ho lovan’ ny fiangonan’ i Jakoba.
- 5 Ary tonga mpanjakan’ i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben’ ny vahoaka Sy ny firenen’ Isiraely rehetra.
- 6 Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
- 7 Ary ny amin’ i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon’ i Joda, Ka ento ho amin’ ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
- 8 Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,
- 9 Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
- 10 Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
- 11 Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan’ ny tànany; Asio mafy ny valahan’ izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
- 12 Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
- 13 Ary ny amin’ i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ny taniny Amin’ ny zava-tsoan’ ny lanitra, dia amin’ ny ando, Ary amin’ ny rano lalina mamitsaka any ambany,
- 14 Ary amin’ ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
- 15 Ary amin’ ny zava-malaza avy amin’ ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin’ ny havoana mandrakizay
- 16 Mbamin’ ny zava-tsoan’ ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan’ Izay nitoetra tao amin’ ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan’ i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
- 17 Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok’ ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran’ ny tany; Ireo no alinalin’ i Efraima Sy arivoarivon’ i Manase.
- 18 Ary ny amin’ i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin’ izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
- 19 Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren’ ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ ny fasika.
- 20 Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.
- 21 Nizaha izay tsara indrindra ho an’ ny tenany izy, Fa teo ny anaran’ ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ ny lohan’ ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan’ i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ ny Isiraely.
- 22 Ary ny amin’ i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
- 23 Ary ny amin’ i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian’ i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.
- 24 Ary ny amin’ i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin’ ny diloilo.
- 25 Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin’ ny andronao ny fiadananao.
- 26 Ry Jesorona, tsy misy tahaka an’ Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin’ ny voninahiny.
- 27 Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
- 28 Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon’ i Jakoba Ao amin’ ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
- 29 Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗