신명기 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 20절
- 1 Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, no momba anao.
- 2 Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin’ ny olona hoe:
- 3 Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
- 4 fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
- 5 Dia hiteny amin’ ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
- 6 Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
- 7 Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
- 8 Ary mbola hiteny amin’ ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ ny rahalahiny.
- 9 Ary rehefa vitan’ ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin’ ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
- 10 Raha mby akaikin’ izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
- 11 Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
- 12 Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
- 13 Ary rehefa atolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin’ ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
- 14 Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin’ ny fahavalonao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
- 15 Toy izany no hataonao amin’ ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan’ ireto firenena ireto.
- 16 Fa ny tanànan’ ireto firenena ireto kosa, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
- 17 Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao,
- 18 mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin’ ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
- 19 Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin’ ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin’ ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
- 20 Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗