신명기 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 21절
- 1 Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon’ ny tany omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
- 2 dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
- 3 Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran’ ny mahafaty olona rehetra ao.
- 4 Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
- 5 toy ny olona izay miaraka amin’ ny namany ho any an’ ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin’ ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
- 6 fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
- 7 Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
- 8 Ary raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin’ ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
- 9 (raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin’ ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
- 10 mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin’ ny rà ianao.
- 11 Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo,
- 12 ny loholona amin’ ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan’ ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
- 13 Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny heloka ny amin’ ny rà marina, mba hahita soa ianao.
- 14 Aza mamindra ny fari-tanin’ ny namanao, izay efa vitan’ ny razana teo amin’ ny zara-taninao, izay azonao eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
- 15 Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’ izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
- 16 Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
- 17 dia hitsangana eo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpitsara amin’ izany andro izany;
- 18 ary raha hadinin’ ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
- 19 dia araka izay nokasainy hatao amin’ ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
- 20 Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.
- 21 Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon’ ny aina, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify, tanana solon’ ny tanana, tongotra solon’ ny tongotra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗