시편 6편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | O Lord, rebuke me not in thine anger, neither chasten me in thy hot displeasure. |
| 2 | Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. | Have mercy upon me, O Lord; for I am weak: O Lord, heal me; for my bones are vexed. |
| 3 | Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako. | My soul is also sore vexed: but thou, O Lord, how long? |
| 4 | Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana? | Return, O Lord, deliver my soul: oh save me for thy mercies’ sake. |
| 5 | Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao. | For in death there is no remembrance of thee: in the grave who shall give thee thanks? |
| 6 | Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? | I am weary with my groaning; all the night make I my bed to swim; I water my couch with my tears. |
| 7 | Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan’ alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. | Mine eye is consumed because of grief; it waxeth old because of all mine enemies. |
| 8 | Lanin’ alahelo ny masoko; efa pahina izy amin’ ny ataon’ ny mpampahory ahy rehetra. | Depart from me, all ye workers of iniquity; for the Lord hath heard the voice of my weeping. |
| 9 | Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako. | The Lord hath heard my supplication; the Lord will receive my prayer. |
| 10 | Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako. | Let all mine enemies be ashamed and sore vexed: let them return and be ashamed suddenly. |
| 11 | Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL