사도행전 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 40절
- 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
- 2 Ary mpivavaka tsara no nandevina an’ i Stefana sady nisaona azy fatratra.
- 3 Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
- 4 Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
- 5 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao.
- 6 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
- 7 Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
- 8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ izany tanàna izany.
- 9 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
- 10 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
- 11 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin’ ny odiny.
- 12 Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
- 13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’ i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
- 14 Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’ i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
- 15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ ny olona mba handraisany ny Fanahy Masìna.
- 16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo ihany izy.
- 17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masìna ireo.
- 18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masìna, dia nitondra vola homena azy
- 19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masìna izay olona hametrahako tanana.
- 20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra.
- 21 Tsy manana anjara na raharaha amin’ izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra.
- 22 Koa mibebaha amin’ izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ ny fonao.
- 23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ ny fangidian’ afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
- 24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin’ ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
- 25 Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ ny vohitra maro izay an’ ny Samaritana.
- 26 Ary nisy anjelin’ ny Tompo nilaza tamin’ i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ ny lalana midìna avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
- 27 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
- 28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ ny kalesiny ary namaky teny tao amin’ Isaia mpaminany
- 29 Dia hoy ny Fanahy tamin’ i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’ io kalesy io.
- 30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’ Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
- 31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’ i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.
- 32 Ary izao no tenin’ ny Soratra Masìna novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak’ ondry moana eo anoloan’ ny mpanety azy;
- 33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin’ ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ ny tany.
- 34 Ary ilay tandapa namaly an’ i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
- 35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’ izany Soratra Masìna izany nitory an’ i Jesosy taminy.
- 36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
- 37
- 38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy.
- 39 Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly.
- 40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗