사도행전 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 40절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. | And Saul was consenting unto his death. And at that time there was a great persecution against the church which was at Jerusalem; and they were all scattered abroad throughout the regions of Judea and Samaria, except the apostles. |
| 2 | Ary mpivavaka tsara no nandevina an’ i Stefana sady nisaona azy fatratra. | And devout men carried Stephen to his burial, and made great lamentation over him. |
| 3 | Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina. | As for Saul, he made havock of the church, entering into every house, and haling men and women committed them to prison. |
| 4 | Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny. | Therefore they that were scattered abroad went every where preaching the word. |
| 5 | Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao. | Then Philip went down to the city of Samaria, and preached Christ unto them. |
| 6 | Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. | And the people with one accord gave heed unto those things which Philip spake, hearing and seeing the miracles which he did. |
| 7 | Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. | For unclean spirits, crying with loud voice, came out of many that were possessed with them: and many taken with palsies, and that were lame, were healed. |
| 8 | Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ izany tanàna izany. | And there was great joy in that city. |
| 9 | Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra; | But there was a certain man, called Simon, which beforetime in the same city used sorcery, and bewitched the people of Samaria, giving out that himself was some great one: |
| 10 | ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe. | To whom they all gave heed, from the least to the greatest, saying, This man is the great power of God. |
| 11 | Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin’ ny odiny. | And to him they had regard, because that of long time he had bewitched them with sorceries. |
| 12 | Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. | But when they believed Philip preaching the things concerning the kingdom of God, and the name of Jesus Christ, they were baptized, both men and women. |
| 13 | Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’ i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao. | Then Simon himself believed also: and when he was baptized, he continued with Philip, and wondered, beholding the miracles and signs which were done. |
| 14 | Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’ i Petera sy Jaona izy hankany aminy. | Now when the apostles which were at Jerusalem heard that Samaria had received the word of God, they sent unto them Peter and John: |
| 15 | Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ ny olona mba handraisany ny Fanahy Masìna. | Who, when they were come down, prayed for them, that they might receive the Holy Ghost: |
| 16 | Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo ihany izy. | (For as yet he was fallen upon none of them: only they were baptized in the name of the Lord Jesus.) |
| 17 | Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masìna ireo. | Then laid they their hands on them, and they received the Holy Ghost. |
| 18 | Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masìna, dia nitondra vola homena azy | And when Simon saw that through laying on of the apostles’ hands the Holy Ghost was given, he offered them money, |
| 19 | ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masìna izay olona hametrahako tanana. | Saying, Give me also this power, that on whomsoever I lay hands, he may receive the Holy Ghost. |
| 20 | Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra. | But Peter said unto him, Thy money perish with thee, because thou hast thought that the gift of God may be purchased with money. |
| 21 | Tsy manana anjara na raharaha amin’ izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra. | Thou hast neither part nor lot in this matter: for thy heart is not right in the sight of God. |
| 22 | Koa mibebaha amin’ izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ ny fonao. | Repent therefore of this thy wickedness, and pray God, if perhaps the thought of thine heart may be forgiven thee. |
| 23 | Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ ny fangidian’ afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. | For I perceive that thou art in the gall of bitterness, and in the bond of iniquity. |
| 24 | Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin’ ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo. | Then answered Simon, and said, Pray ye to the Lord for me, that none of these things which ye have spoken come upon me. |
| 25 | Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ ny vohitra maro izay an’ ny Samaritana. | And they, when they had testified and preached the word of the Lord, returned to Jerusalem, and preached the gospel in many villages of the Samaritans. |
| 26 | Ary nisy anjelin’ ny Tompo nilaza tamin’ i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ ny lalana midìna avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. | And the angel of the Lord spake unto Philip, saying, Arise, and go toward the south unto the way that goeth down from Jerusalem unto Gaza, which is desert. |
| 27 | Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka; | And he arose and went: and, behold, a man of Ethiopia, an eunuch of great authority under Candace queen of the Ethiopians, who had the charge of all her treasure, and had come to Jerusalem for to worship, |
| 28 | dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ ny kalesiny ary namaky teny tao amin’ Isaia mpaminany | Was returning, and sitting in his chariot read Esaias the prophet. |
| 29 | Dia hoy ny Fanahy tamin’ i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’ io kalesy io. | Then the Spirit said unto Philip, Go near, and join thyself to this chariot. |
| 30 | Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’ Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? | And Philip ran thither to him, and heard him read the prophet Esaias, and said, Understandest thou what thou readest? |
| 31 | Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’ i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. | And he said, How can I, except some man should guide me? And he desired Philip that he would come up and sit with him. |
| 32 | Ary izao no tenin’ ny Soratra Masìna novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak’ ondry moana eo anoloan’ ny mpanety azy; | The place of the scripture which he read was this, He was led as a sheep to the slaughter; and like a lamb dumb before his shearer, so opened he not his mouth: |
| 33 | Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin’ ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ ny tany. | In his humiliation his judgment was taken away: and who shall declare his generation? for his life is taken from the earth. |
| 34 | Ary ilay tandapa namaly an’ i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? | And the eunuch answered Philip, and said, I pray thee, of whom speaketh the prophet this? of himself, or of some other man? |
| 35 | Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’ izany Soratra Masìna izany nitory an’ i Jesosy taminy. | Then Philip opened his mouth, and began at the same scripture, and preached unto him Jesus. |
| 36 | Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? | And as they went on their way, they came unto a certain water: and the eunuch said, See, here is water; what doth hinder me to be baptized? |
| 37 | | And Philip said, If thou believest with all thine heart, thou mayest. And he answered and said, I believe that Jesus Christ is the Son of God. |
| 38 | Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy. | And he commanded the chariot to stand still: and they went down both into the water, both Philip and the eunuch; and he baptized him. |
| 39 | Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly. | And when they were come up out of the water, the Spirit of the Lord caught away Philip, that the eunuch saw him no more: and he went on his way rejoicing. |
| 40 | Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria. | But Philip was found at Azotus: and passing through he preached in all the cities, till he came to Cesarea. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL