사도행전 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 26절
- 1 Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ ny tempoly tamin’ ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
- 2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’ andro teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’ izay niditra teo an-kianjan’ ny tempoly;
- 3 nony nahita an’ i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan’ ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
- 4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
- 5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
- 6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
- 7 Ary noraisiny tamin’ ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’ izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
- 8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an’ Andriamanitra.
- 9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’ Andriamanitra.
- 10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ ny vavahady Itsaraendrika eo amin’ ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
- 11 Ary raha nihazona an’ i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin’ izy telo lahy teo amin’ ny fialofana izay atao hoe Fialofan’ i Solomona, ka talanjona.
- 12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’ izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
- 13 Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’ i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’ i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
- 14 Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
- 15 fa ny Tompon’ ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty, ary vavolombelon’ izany izahay.
- 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
- 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
- 18 Fa izany no nahatanterahan’ Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ ny Kristiny.
- 19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo,
- 20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
- 21 Ilay tsy maintsy horaisin’ ny lanitra mandra-pihavin’ ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny voalohany indrindra.
- 22 Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’ izay rehetra holazainy aminareo.
- 23 Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ ny olona.
- 24 Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’ i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
- 25 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razanareo, raha hoy Izy tamin’ i Abrahama: Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
- 26 Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ ny fialanareo rehetra amin’ ny faharatsianareo isam-batan’ olona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗