사도행전 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 47절
- 1 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra.
- 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
- 3 Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany.
- 4 Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy.
- 5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra.
- 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra.
- 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
- 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin’ ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
- 9 ― dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
- 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
- 11 Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra?
- 12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany?
- 13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
- 14 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
- 15 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
- 16 Fa izao ilay nampilazaina an’ i Joela mpaminany hoe:
- 17 Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
- 18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, Ka dia haminany izy;
- 19 Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ ny setroka;
- 20 Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
- 21 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena.
- 22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
- 23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;
- 24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.
- 25 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’ i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
- 26 Dia izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ ny fanantenana;
- 27 Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao;
- 28 Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao.
- 29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
- 30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany,
- 31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò.
- 32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.
- 33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
- 34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
- 35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
- 36 Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
- 37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
- 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
- 39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
- 40 Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo.
- 41 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.
- 42 Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
- 43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly.
- 44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
- 45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy.
- 46 Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
- 47 nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗