사도행전 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 27절
- 1 Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin’ ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin’ ny mpanapaka ny niampangany an’ i Paoly.
- 2 Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
- 3 Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin’ ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
- 4 Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin’ ny faharetana izahay.
- 5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ ilay antoko atao hoe Nazarena.
- 6 Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy;
- 7
- 8 ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
- 9 Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
- 10 Ary rehefa notondroin’ ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
- 11 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
- 12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’ olona teo an-kianjan’ ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ ny synagoga, na tao an-tanàna;
- 13 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
- 14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ ny lalàna sy ny mpaminany,
- 15 ary manantena amin’ Andriamanitra aho, izay antenain’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka.
- 16 Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.
- 17 Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko.
- 18 Ary tamin’ izay dia hitany voadio teo an-kianjan’ ny tempoly aho, tsy tamin’ ny olona maro anefa, na tamin’ ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
- 19 ― tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
- 20 Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan’ ny Synedriona aho,
- 21 afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
- 22 Ary satria fantatr’ i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin’ izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
- 23 Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’ i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
- 24 Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’ i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
- 25 Ary raha nitory ny amin’ ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
- 26 Sady nanantena koa izy fa homen’ i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.
- 27 Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an’ i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin’ ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗