사도행전 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 35절
- 1 Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an’ Andriamanitra tamin’ ny fieritreretana tsara mandraka androany.
- 2 Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
- 3 Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
- 4 Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben’ Andriamanitra?
- 5 Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao.
- 6 Ary rehefa fantatr’ i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ ny fanantenana sy ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy.
- 7 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
- 8 Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan’ ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
- 9 Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan’ ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok’ io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
- 10 Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan’ ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
- 11 Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
- 12 Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an’ i Paoly.
- 13 Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
- 14 Ary izy nankany amin’ ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an’ i Paoly.
- 15 Koa ankehitriny dia milazà amin’ ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin’ izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
- 16 Ary nony ren’ ny zanak’ anabavin’ i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anati-rova izy ka nilaza tamin’ i Paoly.
- 17 Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin’ ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
- 18 Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin’ ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
- 19 Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin’ ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
- 20 Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an’ i Paoly ho any amin’ ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
- 21 Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an’ i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
- 22 Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin’ olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
- 23 Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin’ ny ora fahatelo;
- 24 ary itondray biby koa hitaingenan’ i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin’ i Feliksa mpanapaka.
- 25 Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
- 26 Klaodio Lysia miarahaba an’ i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
- 27 Ity lehilahy ity dia nosamborin’ ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
- 28 Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin’ ny Synedriona izy;
- 29 dia hitako fa ady hevitra ny amin’ ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
- 30 Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
- 31 Dia nalain’ ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin’ iny alina iny ho any Antipatria.
- 32 Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
- 33 Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin’ ny mpanapaka sady nanolotra an’ i Paoly ho eo anatrehany koa.
- 34 Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
- 35 dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan’ i Heroda izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗