사도행전 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 48절
- 1 Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ ny antokon’ ny miaramila atao hoe Italiana;
- 2 ary mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin’ ny olona sady nivavaka tamin’ Andriamanitra mandrakariva.
- 3 Ary izy nahita miharihary tamin’ ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’ Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
- 4 Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra.
- 5 Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
- 6 mitoetra ao amin’ i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
- 7 Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’ i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’ izay nanaraka azy isan’ andro.
- 8 Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
- 9 Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin’ ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
- 10 Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
- 11 ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midìna toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra ho amin’ ny tany;
- 12 ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
- 13 Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
- 14 Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
- 15 Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
- 16 Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’ izay ilay zavatra.
- 17 Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’ izay anton’ ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin’ i Kornelio nanontany ny tranon’ i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
- 18 dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
- 19 Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
- 20 fa mitsangàna ianao, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
- 21 Ary Petera nidina tany amin’ ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ ny ahatongavanareo atỳ?
- 22 Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’ Andriamanitra ka tsara laza amin’ ny firenen’ ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’ anjely masìna hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
- 23 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
- 24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
- 25 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ ny tongony sady nitsaoka azy.
- 26 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
- 27 Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
- 28 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
- 29 Ary amin’ izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
- 30 Dia hoy Kornelio: Loak’ andro afak’ omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
- 31 ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan’ Andriamanitra ny fiantranao.
- 32 Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon’ i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
- 33 Koa niaraka tamin’ izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’ Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ ny Tompo anao.
- 34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra;
- 35 fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
- 36 Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ ny Zanak’ isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’ izao rehetra izao),
- 37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian’ ny batisa izay notorin’ i Jaona, dia ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta,
- 38 Izay nohosoran’ Andriamanitra tamin’ ny Fanahy Masìna sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
- 39 Ary izahay no vavolombelon’ ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ ny tanin’ ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ ny hazo;
- 40 nefa natsangan’ Andriamanitra kosa Izy tamin’ ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
- 41 tsy tamin’ ny olona rehetra, fa tamin’ ny vavolombelona izay notendren’ Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.
- 42 Ary Izy nandidy anay hitory amin’ ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’ Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
- 43 Izy no ambaran’ ny mpaminany rehetra, fa amin’ ny anarany no hahazoan’ izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
- 44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masìna.
- 45 Ary talanjona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna.
- 46 Fa nandre azy niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’ Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
- 47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa?
- 48 Dia nasainy natao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗