빌립보서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 빌립보서 (Philippians) · 30절
- 1 Paoly sy Timoty, mpanompon’ i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy mbamin’ ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy;
- 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- 3 Misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny fahatsiarovako anareo
- 4 mandrakariva aho amin’ ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ ny fifaliana,
- 5 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
- 6 ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ ny andron’ i Jesosy Kristy;
- 7 fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ ny fifatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
- 8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ ny famindram-pon’ i Kristy Jesosy.
- 9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
- 10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy ianareo,
- 11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra.
- 12 Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
- 13 ka ao amin’ i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra;
- 14 ary ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy amin’ ny tahotra.
- 15 Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ ny sasany;
- 16 fitiavana ny an’ ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
- 17 fifampiandaniana kosa no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
- 18 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ ny atao rehetra, na amin’ ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’ izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
- 19 Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin’ i Jesosy Kristy,
- 20 araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.
- 21 Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
- 22 Kanefa raha ny ho velona amin’ ny nofo no hahavokaran’ ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
- 23 fa sanganehana eo anelanelan’ izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’ i Kristy, satria tsara lavitra izany;
- 24 kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
- 25 Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ ny finoanareo,
- 26 mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’ i Kristy Jesosy amin’ ny hankanesako atỳ aminareo indray.
- 27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
- 28 ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra.
- 29 Fa ianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
- 30 dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗