빌립보서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 빌립보서 (Philippians) · 30절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Paoly sy Timoty, mpanompon’ i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy mbamin’ ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy; | Paul and Timotheus, the servants of Jesus Christ, to all the saints in Christ Jesus which are at Philippi, with the bishops and deacons: |
| 2 | ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. | Grace be unto you, and peace, from God our Father, and from the Lord Jesus Christ. |
| 3 | Misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny fahatsiarovako anareo | I thank my God upon every remembrance of you, |
| 4 | mandrakariva aho amin’ ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ ny fifaliana, | Always in every prayer of mine for you all making request with joy, |
| 5 | noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; | For your fellowship in the gospel from the first day until now; |
| 6 | ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ ny andron’ i Jesosy Kristy; | Being confident of this very thing, that he which hath begun a good work in you will perform it until the day of Jesus Christ: |
| 7 | fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ ny fifatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy. | Even as it is meet for me to think this of you all, because I have you in my heart; inasmuch as both in my bonds, and in the defence and confirmation of the gospel, ye all are partakers of my grace. |
| 8 | Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ ny famindram-pon’ i Kristy Jesosy. | For God is my record, how greatly I long after you all in the bowels of Jesus Christ. |
| 9 | Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, | And this I pray, that your love may abound yet more and more in knowledge and in all judgment; |
| 10 | mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy ianareo, | That ye may approve things that are excellent; that ye may be sincere and without offence till the day of Christ; |
| 11 | sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra. | Being filled with the fruits of righteousness, which are by Jesus Christ, unto the glory and praise of God. |
| 12 | Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; | But I would ye should understand, brethren, that the things which happened unto me have fallen out rather unto the furtherance of the gospel; |
| 13 | ka ao amin’ i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra; | So that my bonds in Christ are manifest in all the palace, and in all other places; |
| 14 | ary ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy amin’ ny tahotra. | And many of the brethren in the Lord, waxing confident by my bonds, are much more bold to speak the word without fear. |
| 15 | Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ ny sasany; | Some indeed preach Christ even of envy and strife; and some also of good will: |
| 16 | fitiavana ny an’ ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho; | The one preach Christ of contention, not sincerely, supposing to add affliction to my bonds: |
| 17 | fifampiandaniana kosa no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako. | But the other of love, knowing that I am set for the defence of the gospel. |
| 18 | Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ ny atao rehetra, na amin’ ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’ izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho. | What then? notwithstanding, every way, whether in pretence, or in truth, Christ is preached; and I therein do rejoice, yea, and will rejoice. |
| 19 | Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin’ i Jesosy Kristy, | For I know that this shall turn to my salvation through your prayer, and the supply of the Spirit of Jesus Christ, |
| 20 | araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana. | According to my earnest expectation and my hope, that in nothing I shall be ashamed, but that with all boldness, as always, so now also Christ shall be magnified in my body, whether it be by life, or by death. |
| 21 | Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. | For to me to live is Christ, and to die is gain. |
| 22 | Kanefa raha ny ho velona amin’ ny nofo no hahavokaran’ ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko; | But if I live in the flesh, this is the fruit of my labour: yet what I shall choose I wot not. |
| 23 | fa sanganehana eo anelanelan’ izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’ i Kristy, satria tsara lavitra izany; | For I am in a strait betwixt two, having a desire to depart, and to be with Christ; which is far better: |
| 24 | kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ ny nofo no mahasoa anareo kokoa. | Nevertheless to abide in the flesh is more needful for you. |
| 25 | Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ ny finoanareo, | And having this confidence, I know that I shall abide and continue with you all for your furtherance and joy of faith; |
| 26 | mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’ i Kristy Jesosy amin’ ny hankanesako atỳ aminareo indray. | That your rejoicing may be more abundant in Jesus Christ for me by my coming to you again. |
| 27 | Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, | Only let your conversation be as it becometh the gospel of Christ: that whether I come and see you, or else be absent, I may hear of your affairs, that ye stand fast in one spirit, with one mind striving together for the faith of the gospel; |
| 28 | ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra. | And in nothing terrified by your adversaries: which is to them an evident token of perdition, but to you of salvation, and that of God. |
| 29 | Fa ianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy, | For unto you it is given in the behalf of Christ, not only to believe on him, but also to suffer for his sake; |
| 30 | dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny. | Having the same conflict which ye saw in me, and now hear to be in me. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL