베드로후서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 베드로후서 (2 Peter) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin’ ny fahamarinan’ i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: | Simon Peter, a servant and an apostle of Jesus Christ, to them that have obtained like precious faith with us through the righteousness of God and our Saviour Jesus Christ: |
| 2 | hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. | Grace and peace be multiplied unto you through the knowledge of God, and of Jesus our Lord, |
| 3 | Efa nomen’ ny herin’ Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ ny voninahiny sy ny fahatsarany; | According as his divine power hath given unto us all things that pertain unto life and godliness, through the knowledge of him that hath called us to glory and virtue: |
| 4 | ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra amin’ izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’ izao tontolo izao noho ny filàna; | Whereby are given unto us exceeding great and precious promises: that by these ye might be partakers of the divine nature, having escaped the corruption that is in the world through lust. |
| 5 | koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, | And beside this, giving all diligence, add to your faith virtue; and to virtue knowledge; |
| 6 | ary amin’ ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra, | And to knowledge temperance; and to temperance patience; and to patience godliness; |
| 7 | ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. | And to godliness brotherly kindness; and to brotherly kindness charity. |
| 8 | Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy Tompontsika. | For if these things be in you, and abound, they make you that ye shall neither be barren nor unfruitful in the knowledge of our Lord Jesus Christ. |
| 9 | Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ ny fahotany voalohany izy. | But he that lacketh these things is blind, and cannot see afar off, and hath forgotten that he was purged from his old sins. |
| 10 | Ary amin’ izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; | Wherefore the rather, brethren, give diligence to make your calling and election sure: for if ye do these things, ye shall never fall: |
| 11 | fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ ny fanjakana mandrakizay, izay an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. | For so an entrance shall be ministered unto you abundantly into the everlasting kingdom of our Lord and Saviour Jesus Christ. |
| 12 | Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’ izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ ny fahamarinana izay efa eo aminareo. | Wherefore I will not be negligent to put you always in remembrance of these things, though ye know them, and be established in the present truth. |
| 13 | Fa raha mbola eto amin’ ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin’ ny fampahatsiarovana anareo, | Yea, I think it meet, as long as I am in this tabernacle, to stir you up by putting you in remembrance; |
| 14 | satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’ i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa. | Knowing that shortly I must put off this my tabernacle, even as our Lord Jesus Christ hath shewed me. |
| 15 | Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho. | Moreover I will endeavour that ye may be able after my decease to have these things always in remembrance. |
| 16 | Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ ny fahafetsen’ ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ ny masonay ny fiandrianany. | For we have not followed cunningly devised fables, when we made known unto you the power and coming of our Lord Jesus Christ, but were eyewitnesses of his majesty. |
| 17 | Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’ Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako”. | For he received from God the Father honour and glory, when there came such a voice to him from the excellent glory, This is my beloved Son, in whom I am well pleased. |
| 18 | Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masìna izahay. | And this voice which came from heaven we heard, when we were with him in the holy mount. |
| 19 | Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro; | We have also a more sure word of prophecy; whereunto ye do well that ye take heed, as unto a light that shineth in a dark place, until the day dawn, and the day star arise in your hearts: |
| 20 | fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masìna dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany; | Knowing this first, that no prophecy of the scripture is of any private interpretation. |
| 21 | fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masìna azy. | For the prophecy came not in old time by the will of man: but holy men of God spake as they were moved by the Holy Ghost. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL