베드로전서 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 베드로전서 (1 Peter) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa ny amin’ ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon’ ny fijalian’ i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: | The elders which are among you I exhort, who am also an elder, and a witness of the sufferings of Christ, and also a partaker of the glory that shall be revealed: |
| 2 | Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-terỳ, fa amin’ ny sitrapo [araka an’ Andriamanitra]; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny zotom-panahy; * | Feed the flock of God which is among you, taking the oversight thereof, not by constraint, but willingly; not for filthy lucre, but of a ready mind; |
| 3 | tsy ho mpanjakazaka, amin’ ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ ny ondry. | Neither as being lords over God’s heritage, but being ensamples to the flock. |
| 4 | Ary rehefa miseho ny Lohan’ ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo, | And when the chief Shepherd shall appear, ye shall receive a crown of glory that fadeth not away. |
| 5 | Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikìna fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”. | Likewise, ye younger, submit yourselves unto the elder. Yea, all of you be subject one to another, and be clothed with humility: for God resisteth the proud, and giveth grace to the humble. |
| 6 | Koa amin’ izany manetre tena ambanin’ ny tàna-maherin’ Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ ny fotoan’ andro; | Humble yourselves therefore under the mighty hand of God, that he may exalt you in due time: |
| 7 | ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo. | Casting all your care upon him; for he careth for you. |
| 8 | Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; | Be sober, be vigilant; because your adversary the devil, as a roaring lion, walketh about, seeking whom he may devour: |
| 9 | tohero izy, ka miorena tsara amin’ ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’ izao tontolo izao. | Whom resist stedfast in the faith, knowing that the same afflictions are accomplished in your brethren that are in the world. |
| 10 | Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny mandrakizay ao amin’ i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. | But the God of all grace, who hath called us unto his eternal glory by Christ Jesus, after that ye have suffered a while, make you perfect, stablish, strengthen, settle you. |
| 11 | Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. | To him be glory and dominion for ever and ever. Amen. |
| 12 | Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an’ i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’ Andriamanitra,― tomoera tsara amin’ izany ianareo. | By Silvanus, a faithful brother unto you, as I suppose, I have written briefly, exhorting, and testifying that this is the true grace of God wherein ye stand. |
| 13 | Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa. | The church that is at Babylon, elected together with you, saluteth you; and so doth Marcus my son. |
| 14 | Mifanaova veloma amin’ ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’ i Kristy anie ny fiadanana. | Greet ye one another with a kiss of charity. Peace be with you all that are in Christ Jesus. Amen. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL