민수기 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 34절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
- 2 Samy eo amin’ ny fanevany sy eo amin’ ny faneva kelin’ ny fianakaviany avy no hitobian’ ny Zanak’ Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
- 3 Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
- 4 ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
- 5 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ Isakara; ary ny lohan’ ny taranak’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
- 6 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
- 7 Dia vao ny firenen’ i Zebolona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
- 8 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
- 9 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
- 10 Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Robena no ho eo amin’ ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Robena dia Elizora, zanak’ Sedeora;
- 11 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
- 12 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Simeona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
- 13 ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
- 14 Dia vao ny firenen’ i Gada; ary ny lohan’ ny taranak’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Roela;
- 15 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
- 16 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
- 17 Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ ny Levita, eo afovoan’ ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ ny filaharany avy, araka ny fanevany.
- 18 Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ ny taranak’ i Efraima dia Elisama, zanak’ i Amihoda;
- 19 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
- 20 Ary ny firenen’ i Manase ho eo anilany; ary ny lohan’ ny taranak’ i Manase dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora;
- 21 ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
- 22 Dia vao ny firenen’ i Benjamina; ary ny lohan’ ny taranak’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
- 23 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
- 24 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
- 25 Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ ny taranak’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
- 26 ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
- 27 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Asera; ary ny lohan’ ny taranak’ i Asera dia Pagiela, zanak’ i Okrana;
- 28 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
- 29 Dia vao ny firenen’ i Naftaly; ary ny lohan’ ny taranak’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana;
- 30 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
- 31 Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
- 32 Ireo no nalamina avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin’ izay nalamina tamin’ ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
- 33 Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 34 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗