민수기 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 54절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay, tao amin’ ny trano-lay fihaonana tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanao hoe:
- 2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
- 3 dia ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
- 4 Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
- 5 Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’ i Robena dia Elizora, zanak’ i Sedeora;
- 6 ny avy amin’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
- 7 ny avy amin’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
- 8 ny avy amin’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
- 9 ny avy amin’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
- 10 ny avy amin’ ny zanak’ i Josefa dia Elisama, zanak’ i Amihoda, avy amin’ i Efraima, ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, avy amin’ i Manase kosa;
- 11 ny avy amin’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
- 12 ny avy amin’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
- 13 ny avy amin’ i Asera dia Fagiela, zanak’ i Okrana;
- 14 ny avy amin’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Doela;
- 15 ny avy amin’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana.
- 16 Ireo no voafidin’ ny fiangonana, dia samy lohan’ ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin’ ny Isiraely.
- 17 Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
- 18 dia namory ny fiangonana rehetra tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
- 19 Araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr’ Sinay.
- 20 Ary tamin’ ny taranak’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
- 21 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
- 22 Ary tamin’ ny taranak’ i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
- 23 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
- 24 Ary tamin’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 25 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
- 26 Ary tamin’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 27 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
- 28 Ary tamin’ ny taranak’ Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 29 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
- 30 Ary tamin’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 31 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
- 32 Ary tamin’ ny taranak’ i Josefa: dia avy tamin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 33 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
- 34 ary tamin’ ny taranak’ i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 35 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
- 36 Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 37 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
- 38 Ary tamin’ ny taranak’ i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 39 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
- 40 Ary tamin’ ny taranak’ i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
- 41 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
- 42 Ary tamin’ ny taranak’ i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 43 izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
- 44 Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin’ ny folo lahy lehibe amin’ ny Isiraely, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
- 45 Ary izay rehetra avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin’ ny Isiraely,
- 46 dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
- 47 Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan’ ireo.
- 48 Fa Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 49 Ny firenen’ ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely;
- 50 fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
- 51 Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
- 52 Dia hitoby ny Zanak’ Isiraely, samy eo amin’ ny tobiny avy, ary samy eo amin’ ny fanevany ary, araka ny antokony.
- 53 Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
- 54 Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗