마태복음 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 46절
- 1 Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
- 2 Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
- 3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
- 4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany.
- 5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
- 6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
- 7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
- 8 Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
- 9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.
- 10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
- 11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
- 12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
- 13 Koa amin’ izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
- 14 Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
- 15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,― samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
- 16 Ary niaraka tamin’ izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.
- 17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
- 18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan’ ny tompony.
- 19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ ny volany.
- 20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
- 21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
- 22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
- 23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
- 24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin’ izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafanao;
- 25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ ny tany; indry, lasanao ny anao.
- 26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’ izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafako;
- 27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin’ ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
- 28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
- 29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
- 30 Ary ario ho any amin’ ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
- 31 Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
- 32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ ny osy;
- 33 ary hametraka ny ondry eo amin’ ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ ny ankaviany.
- 34 Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
- 35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
- 36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.
- 37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
- 38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
- 39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?
- 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
- 41 Ary dia hilaza indray amin’ izay eo amin’ ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ ny devoly sy ny anjeliny;
- 42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
- 43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
- 44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
- 45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
- 46 Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗