마태복음 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 46절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. | Then shall the kingdom of heaven be likened unto ten virgins, which took their lamps, and went forth to meet the bridegroom. |
| 2 | Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. | And five of them were wise, and five were foolish. |
| 3 | Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; | They that were foolish took their lamps, and took no oil with them: |
| 4 | ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany. | But the wise took oil in their vessels with their lamps. |
| 5 | Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. | While the bridegroom tarried, they all slumbered and slept. |
| 6 | Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. | And at midnight there was a cry made, Behold, the bridegroom cometh; go ye out to meet him. |
| 7 | Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany. | Then all those virgins arose, and trimmed their lamps. |
| 8 | Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. | And the foolish said unto the wise, Give us of your oil; for our lamps are gone out. |
| 9 | Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. | But the wise answered, saying, Not so; lest there be not enough for us and you: but go ye rather to them that sell, and buy for yourselves. |
| 10 | Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. | And while they went to buy, the bridegroom came; and they that were ready went in with him to the marriage: and the door was shut. |
| 11 | Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. | Afterward came also the other virgins, saying, Lord, Lord, open to us. |
| 12 | Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. | But he answered and said, Verily I say unto you, I know you not. |
| 13 | Koa amin’ izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. | Watch therefore, for ye know neither the day nor the hour wherein the Son of man cometh. |
| 14 | Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: | For the kingdom of heaven is as a man travelling into a far country, who called his own servants, and delivered unto them his goods. |
| 15 | koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,― samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. | And unto one he gave five talents, to another two, and to another one; to every man according to his several ability; and straightway took his journey. |
| 16 | Ary niaraka tamin’ izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. | Then he that had received the five talents went and traded with the same, and made them other five talents. |
| 17 | Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. | And likewise he that had received two, he also gained other two. |
| 18 | Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan’ ny tompony. | But he that had received one went and digged in the earth, and hid his lord’s money. |
| 19 | Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ ny volany. | After a long time the lord of those servants cometh, and reckoneth with them. |
| 20 | Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. | And so he that had received five talents came and brought other five talents, saying, Lord, thou deliveredst unto me five talents: behold, I have gained beside them five talents more. |
| 21 | Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao. | His lord said unto him, Well done, thou good and faithful servant: thou hast been faithful over a few things, I will make thee ruler over many things: enter thou into the joy of thy lord. |
| 22 | Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. | He also that had received two talents came and said, Lord, thou deliveredst unto me two talents: behold, I have gained two other talents beside them. |
| 23 | Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao. | His lord said unto him, Well done, good and faithful servant; thou hast been faithful over a few things, I will make thee ruler over many things: enter thou into the joy of thy lord. |
| 24 | Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin’ izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafanao; | Then he which had received the one talent came and said, Lord, I knew thee that thou art an hard man, reaping where thou hast not sown, and gathering where thou hast not strawed: |
| 25 | dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ ny tany; indry, lasanao ny anao. | And I was afraid, and went and hid thy talent in the earth: lo, there thou hast that is thine. |
| 26 | Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’ izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafako; | His lord answered and said unto him, Thou wicked and slothful servant, thou knewest that I reap where I sowed not, and gather where I have not strawed: |
| 27 | koa tokony ho nampanàna ny volako tamin’ ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. | Thou oughtest therefore to have put my money to the exchangers, and then at my coming I should have received mine own with usury. |
| 28 | Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. | Take therefore the talent from him, and give it unto him which hath ten talents. |
| 29 | Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. | For unto every one that hath shall be given, and he shall have abundance: but from him that hath not shall be taken away even that which he hath. |
| 30 | Ary ario ho any amin’ ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. | And cast ye the unprofitable servant into outer darkness: there shall be weeping and gnashing of teeth. |
| 31 | Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy; | When the Son of man shall come in his glory, and all the holy angels with him, then shall he sit upon the throne of his glory: |
| 32 | ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ ny osy; | And before him shall be gathered all nations: and he shall separate them one from another, as a shepherd divideth his sheep from the goats: |
| 33 | ary hametraka ny ondry eo amin’ ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ ny ankaviany. | And he shall set the sheep on his right hand, but the goats on the left. |
| 34 | Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; | Then shall the King say unto them on his right hand, Come, ye blessed of my Father, inherit the kingdom prepared for you from the foundation of the world: |
| 35 | fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; | For I was an hungred, and ye gave me meat: I was thirsty, and ye gave me drink: I was a stranger, and ye took me in: |
| 36 | tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. | Naked, and ye clothed me: I was sick, and ye visited me: I was in prison, and ye came unto me. |
| 37 | Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? | Then shall the righteous answer him, saying, Lord, when saw we thee an hungred, and fed thee? or thirsty, and gave thee drink? |
| 38 | Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? | When saw we thee a stranger, and took thee in? or naked, and clothed thee? |
| 39 | Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? | Or when saw we thee sick, or in prison, and came unto thee? |
| 40 | Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. | And the King shall answer and say unto them, Verily I say unto you, Inasmuch as ye have done it unto one of the least of these my brethren, ye have done it unto me. |
| 41 | Ary dia hilaza indray amin’ izay eo amin’ ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ ny devoly sy ny anjeliny; | Then shall he say also unto them on the left hand, Depart from me, ye cursed, into everlasting fire, prepared for the devil and his angels: |
| 42 | fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; | For I was an hungred, and ye gave me no meat: I was thirsty, and ye gave me no drink: |
| 43 | nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. | I was a stranger, and ye took me not in: naked, and ye clothed me not: sick, and in prison, and ye visited me not. |
| 44 | Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? | Then shall they also answer him, saying, Lord, when saw we thee an hungred, or athirst, or a stranger, or naked, or sick, or in prison, and did not minister unto thee? |
| 45 | Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. | Then shall he answer them, saying, Verily I say unto you, Inasmuch as ye did it not to one of the least of these, ye did it not to me. |
| 46 | Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay. | And these shall go away into everlasting punishment: but the righteous into life eternal. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL