마태복음 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 46절
- 1 Ary raha nanakaiky an’ i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
- 2 Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’ izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
- 3 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’ izay izy.
- 4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
- 5 Lazao amin’ i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa.
- 6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’ i Jesosy azy,
- 7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
- 8 Ary ny ankabiazan’ ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
- 9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
- 10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
- 11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
- 12 Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempolin’ Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
- 13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
- 14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
- 15 Fa nony hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! ― dia tezitra izy
- 16 ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana?
- 17 Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
- 18 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
- 19 Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.
- 20 Ary nony hitan’ ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
- 21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
- 22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ ny fivavahana atao amin’ ny finoana dia ho azonareo.
- 23 Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
- 24 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
- 25 Ny batisan’ i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?
- 26 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’ izy rehetra ho mpaminany Jaona.
- 27 Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
- 28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanim-boaloboko anio.
- 29 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
- 30 Dia nankeo amin’ ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
- 31 Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 32 Fa Jaona nankany aminareo tamin’ ny lalan’ ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
- 33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ ny tany hafa izy.
- 34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra.
- 35 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
- 36 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
- 37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
- 38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
- 39 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
- 40 Koa raha tonga ny tompon’ ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
- 41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’ ny fotoany avy.
- 42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masìna hoe: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?.
- 43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
- 44 Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.
- 45 Ary rehefa ren’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’ i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin’ izany.
- 46 Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗