마태복음 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 34절
- 1 Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
- 2 Ary rehefa nifanekeny tamin’ ny mpiasa fa ho denaria isan’ andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ ny tanim-boalobony ireny.
- 3 Ary nivoaka tamin’ ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
- 4 ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin’ ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
- 5 Ary nivoaka tamin’ ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
- 6 Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
- 7 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ ny tanim-boaloboka.
- 8 Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka tamin’ ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin’ ireo taoriana ka vao hatramin’ ireo voalohany.
- 9 Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
- 10 Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
- 11 Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ ny tompon-trano ka nanao hoe:
- 12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
- 13 Fa izy namaly ka nanao tamin’ ny anankiray amin’ ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
- 14 Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
- 15 Tsy mahazo manao izay tiako amin’ ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
- 16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
- 17 Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
- 18 Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
- 19 ka hatolony amin’ ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ ny hazo fijaliana; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
- 20 Ary tamin’ izany dia nanatona an’ i Jesosy ny renin’ ny zanak’ i Zebedio mbamin’ ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
- 21 Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao.
- 22 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin’ ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
- 23 Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ ny Raiko izany no homena.
- 24 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ izy mirahalahy.
- 25 Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan’ ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
- 26 Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
- 27 ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
- 28 Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
- 29 Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an’ i Jesosy.
- 30 Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!
- 31 Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!
- 32 Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
- 33 Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.
- 34 Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’ izay izy, dia nanaraka an’ i Jesosy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗