마태복음 17장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 27절
- 1 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
- 2 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
- 3 Ary, indreo, niseho tamin’ ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’ i Jesosy.
- 4 Dia niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.
- 5 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
- 6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
- 7 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
- 8 Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
- 9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’ olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.
- 10 Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
- 11 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
- 12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’ olona.
- 13 Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
- 14 Ary rehefa tonga teo amin’ ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’ i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
- 15 Tompoko, mamindrà fo amin’ ny zanako-lahy, fa mararin’ ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ ny afo, ary matetika ao amin’ ny rano.
- 16 Ary nitondra azy tamin’ ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
- 17 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
- 18 Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’ izay ora izay.
- 19 Dia nankao amin’ i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
- 20 Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
- 21
- 22 Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe: Ny Zanak’ olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ ny olona
- 23 ka hovonoiny, nefa amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
- 24 Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’ i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?
- 25 Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?
- 26 Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.
- 27 Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗