마태복음 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 28절
- 1 Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
- 2 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
- 3 Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
- 4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
- 5 Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
- 6 Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
- 7 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
- 8 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
- 9 Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
- 10 na ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
- 11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
- 12 Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo’ ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon’ ny fampianaran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
- 13 Ary rehefa tonga tany amin’ ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona?
- 14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ ny mpaminany.
- 15 Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
- 16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.
- 17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
- 18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.
- 19 Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.
- 20 Ary tamin’ izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’ olona akory fa Izy no Kristy.
- 21 Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
- 22 Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
- 23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
- 24 Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
- 25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
- 26 Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
- 27 Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
- 28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanjakany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗