마가복음 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 37절
- 1 Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
- 2 ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
- 3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.
- 4 Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’ izay fanaka varahina.)
- 5 Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ ny tanana tsy misasa izy?
- 6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’ Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
- 7 Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, Raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy..
- 8 Mahafoy ny didin’ Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ ny olona.
- 9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
- 10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa.
- 11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ ny rainy na amin’ ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’ Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
- 12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ ny rainy sy ny reniny intsony izy,
- 13 ka dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’ izany koa no ataonareo.
- 14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
- 15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy.
- 16
- 17 Ary rehefa niala teo amin’ ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’ izany fanoharana izany.
- 18 Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
- 19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
- 20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ ny olona, dia izany no mahaloto azy.
- 21 Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona,
- 22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:
- 23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy.
- 24 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
- 25 Fa niaraka tamin’ izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ ny tongony.
- 26 Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ ny zananivavy.
- 27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.
- 28 Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ ny mofon-jaza ihany.
- 29 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ ny zanakao-vavy ny demonia.
- 30 Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
- 31 Ary Jesosy niala indray tamin’ ny sisin-tanin’ i Tyro, dia namaky an’ i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia.
- 32 Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.
- 33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
- 34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
- 35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
- 36 Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’ iza na amin’ iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
- 37 Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗