마가복음 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 37절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema | Then came together unto him the Pharisees, and certain of the scribes, which came from Jerusalem. |
| 2 | ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa. | And when they saw some of his disciples eat bread with defiled, that is to say, with unwashen, hands, they found fault. |
| 3 | (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy. | For the Pharisees, and all the Jews, except they wash their hands oft, eat not, holding the tradition of the elders. |
| 4 | Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’ izay fanaka varahina.) | And when they come from the market, except they wash, they eat not. And many other things there be, which they have received to hold, as the washing of cups, and pots, brasen vessels, and of tables. |
| 5 | Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ ny tanana tsy misasa izy? | Then the Pharisees and scribes asked him, Why walk not thy disciples according to the tradition of the elders, but eat bread with unwashen hands? |
| 6 | Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’ Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy. | He answered and said unto them, Well hath Esaias prophesied of you hypocrites, as it is written, This people honoureth me with their lips, but their heart is far from me. |
| 7 | Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, Raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy.. | Howbeit in vain do they worship me, teaching for doctrines the commandments of men. |
| 8 | Mahafoy ny didin’ Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ ny olona. | For laying aside the commandment of God, ye hold the tradition of men, as the washing of pots and cups: and many other such like things ye do. |
| 9 | Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! | And he said unto them, Full well ye reject the commandment of God, that ye may keep your own tradition. |
| 10 | Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa. | For Moses said, Honour thy father and thy mother; and, Whoso curseth father or mother, let him die the death: |
| 11 | Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ ny rainy na amin’ ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’ Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, | But ye say, If a man shall say to his father or mother, It is Corban, that is to say, a gift, by whatsoever thou mightest be profited by me; he shall be free. |
| 12 | dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ ny rainy sy ny reniny intsony izy, | And ye suffer him no more to do ought for his father or his mother; |
| 13 | ka dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’ izany koa no ataonareo. | Making the word of God of none effect through your tradition, which ye have delivered: and many such like things do ye. |
| 14 | Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. | And when he had called all the people unto him, he said unto them, Hearken unto me every one of you, and understand: |
| 15 | Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy. | There is nothing from without a man, that entering into him can defile him: but the things which come out of him, those are they that defile the man. |
| 16 | | If any man have ears to hear, let him hear. |
| 17 | Ary rehefa niala teo amin’ ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’ izany fanoharana izany. | And when he was entered into the house from the people, his disciples asked him concerning the parable. |
| 18 | Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, | And he saith unto them, Are ye so without understanding also? Do ye not perceive, that whatsoever thing from without entereth into the man, it cannot defile him; |
| 19 | satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. | Because it entereth not into his heart, but into the belly, and goeth out into the draught, purging all meats? |
| 20 | Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ ny olona, dia izany no mahaloto azy. | And he said, That which cometh out of the man, that defileth the man. |
| 21 | Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona, | For from within, out of the heart of men, proceed evil thoughts, adulteries, fornications, murders, |
| 22 | ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: | Thefts, covetousness, wickedness, deceit, lasciviousness, an evil eye, blasphemy, pride, foolishness: |
| 23 | izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy. | All these evil things come from within, and defile the man. |
| 24 | Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. | And from thence he arose, and went into the borders of Tyre and Sidon, and entered into an house, and would have no man know it: but he could not be hid. |
| 25 | Fa niaraka tamin’ izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ ny tongony. | For a certain woman, whose young daughter had an unclean spirit, heard of him, and came and fell at his feet: |
| 26 | Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ ny zananivavy. | The woman was a Greek, a Syrophenician by nation; and she besought him that he would cast forth the devil out of her daughter. |
| 27 | Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely. | But Jesus said unto her, Let the children first be filled: for it is not meet to take the children’s bread, and to cast it unto the dogs. |
| 28 | Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ ny mofon-jaza ihany. | And she answered and said unto him, Yes, Lord: yet the dogs under the table eat of the children’s crumbs. |
| 29 | Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ ny zanakao-vavy ny demonia. | And he said unto her, For this saying go thy way; the devil is gone out of thy daughter. |
| 30 | Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy. | And when she was come to her house, she found the devil gone out, and her daughter laid upon the bed. |
| 31 | Ary Jesosy niala indray tamin’ ny sisin-tanin’ i Tyro, dia namaky an’ i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia. | And again, departing from the coasts of Tyre and Sidon, he came unto the sea of Galilee, through the midst of the coasts of Decapolis. |
| 32 | Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana. | And they bring unto him one that was deaf, and had an impediment in his speech; and they beseech him to put his hand upon him. |
| 33 | Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany; | And he took him aside from the multitude, and put his fingers into his ears, and he spit, and touched his tongue; |
| 34 | ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. | And looking up to heaven, he sighed, and saith unto him, Ephphatha, that is, Be opened. |
| 35 | Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy. | And straightway his ears were opened, and the string of his tongue was loosed, and he spake plain. |
| 36 | Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’ iza na amin’ iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa. | And he charged them that they should tell no man: but the more he charged them, so much the more a great deal they published it; |
| 37 | Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana. | And were beyond measure astonished, saying, He hath done all things well: he maketh both the deaf to hear, and the dumb to speak. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL