로마서 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 로마서 (Romans) · 33절
- 1 Milaza ny marina ao amin’ i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ ny Fanahy Masìna koa ny fieritreretako,
- 2 fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ ny foko.
- 3 Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’ i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
- 4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan’ anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
- 5 azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.
- 6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.
- 7 Ary na dia taranak’ i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’ isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
- 8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
- 9 Fa izao no filàzan’ ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha.
- 10 Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’ anaka tamin’ ny anankiray, dia tamin’ isaka razantsika;
- 11 fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran’ ny fikasan’ Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin’ ny asa, fa avy amin’ izay miantso),
- 12 dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny;
- 13 araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako.
- 14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’ Andriamanitra? Sanatria izany!
- 15 Fa hoy Izy tamin’ i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
- 16 Koa dia tsy avy amin’ izay maniry na amin’ izay mihazakazaka izany, fa avy amin’ Andriamanitra Izay miantra.
- 17 Fa hoy ny Soratra Masìna tamin’ i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ ny tany rehetra.
- 18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
- 19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
- 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’ Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’ izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
- 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
- 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’ izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
- 23 mba hampahafantarina koa ny haren’ ny voninahiny amin’ izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
- 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ ny jentilisa koa,
- 25 araka izay lazainy eo amin’ i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala;
- 26 Ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak’ Andriamanitra velona.
- 27 Ary Isaia milaza ny amin’ ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Zanak’ isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
- 28 fa amin’ ny fahatanterahana faingana no hanefan’ i Jehovah ny teniny ambonin’ ny tany;
- 29 ary araka izay nolazain’ Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon’ ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma sy tonga tahaka an’ i Gomora isika.
- 30 Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ ny finoana?
- 31 fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
- 32 Nahoana moa? Satria tsy tamin’ ny finoana, fa toa tamin’ ny asa, ka tafintohina tamin’ ny vato mahatafintohina izy;
- 33 araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗