로마서 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 로마서 (Romans) · 21절
- 1 Ry rahalahy, ny irin’ ny foko sy ny angatahiko amin’ Andriamanitra ho an’ ireny dia famonjena.
- 2 Fa vavolombelon’ ireny aho fa mazoto ho an’ Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
- 3 Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
- 4 Fa Kristy no faran’ ny lalàna ho fahamarinana ho an’ izay rehetra mino.
- 5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna no ho velona amin’ izany.
- 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin’ ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an’ i Kristy izany,)
- 7 na: Iza no hidina any amin’ ny lalina? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany.)
- 8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin’ ny finoana, izay torinay;
- 9 satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao ianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao.
- 10 Fa amin’ ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ ny vava no anekena hahazoana famonjena.
- 11 Fa hoy ny Soratra Masìna: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.
- 12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
- 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran’ ny Tompo no hovonjena.
- 14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
- 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly!.
- 16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?
- 17 Koa ny finoana dia avy amin’ ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ ny tenin’ i Kristy.
- 18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ ny faran’ izao rehetra izao.
- 19 Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin’ izay tsy firenena, Dia amin’ ny firenena adala no hampahasosorako anareo.
- 20 Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’ izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Ahy.
- 21 Fa ny amin’ ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin’ izay firenena sady tsy manaraka no mandà.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗