로마서 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 로마서 (Romans) · 33절
- 1 Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
- 2 Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’ izay hahasoa sy hampandroso azy.
- 3 Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
- 4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ ny Soratra Masìna.
- 5 Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’ i Kristy Jesosy,
- 6 mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’ i Kristy anareo koa ho voninahitr’ Andriamanitra.
- 8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ ny voafora noho ny fahamarinan’ Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ ny razana,
- 9 mba hankalazan’ ny jentilisa an’ Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao.
- 10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa, ry jentilisa, mbamin’ ny olony.
- 11 Ary koa: Midera’ an’ i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra.
- 12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon’ i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian’ ny jentilisa.
- 13 Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ ny fanantenana noho ny herin’ ny Fanahy Masìna.
- 14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
- 15 Kanefa amin’ ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’ Andriamanitra ahy,
- 16 mba ho mpanompon’ i Kristy Jesosy ho an’ ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny itoriako ny filazantsaran’ Andriamanitra, mba horaisina amin’ ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ ny Fanahy Masìna.
- 17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin’ i Kristy Jesosy aho noho ny amin’ Andriamanitra.
- 18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’ i Kristy ahy, na tamin’ ny teny, na tamin’ ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
- 19 dia tamin’ ny herin’ ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masìna, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran’ i Kristy.
- 20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’ izay efa niantsoana an’ i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’ izay efa naorin’ ny sasany aho;
- 21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra.
- 22 Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
- 23 Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin’ ireto tany ireto sady efa naniry hatramin’ ny taona maro hankany aminareo aho,
- 24 raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin’ ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
- 25 Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masìna.
- 26 Fa efa sitrapon’ Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ ny olona masìna any Jerosalema.
- 27 Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ ny zavatra momba ny nofo izy.
- 28 Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
- 29 Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ ny fitahian’ i Kristy.
- 30 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’ i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ ny fivavahanareo amin’ Andriamanitra ho ahy,
- 31 mba ho voavonjy amin’ ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan’ ny ny olona masìna izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
- 32 mba hankanesako any aminareo amin’ ny fifaliana, raha sitrapon’ Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
- 33 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗