로마서 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 로마서 (Romans) · 23절
- 1 Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza, mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
- 2 Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
- 3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
- 4 Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ ny hafa? Amin’ ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
- 5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ ny sainy avy izy.
- 6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ ny Tompo, satria misaotra an’ Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ ny Tompo, sady misaotra an’ Andriamanitra koa izy.
- 7 Fa tsy misy velon-ko an’ ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ ny tenany.
- 8 Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany.
- 9 Fa izany no nahafatesan’ i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ ny maty sy ny velona Izy.
- 10 Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra.
- 11 Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’ Andriamanitra.
- 12 Koa samy hampamoahin’ Andriamanitra ny amin’ ny tenany avy isika rehetra.
- 13 Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ ny rahalahy.
- 14 Mahalala sady matoky ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
- 15 Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
- 16 Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo.
- 17 Fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy amin’ ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ ny Fanahy Masìna.
- 18 Fa izay manompo an’ i Kristy amin’ izany zavatra izany no sitrak’ Andriamanitra sy eken’ ny olona fa tsara.
- 19 Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
- 20 Aza izay hanina no andravanao ny asan’ Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ ny olona izay mihinana amin’ ny fahatafintohinana.
- 21 Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
- 22 Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny.
- 23 Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ ny finoana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗