로마서 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 로마서 (Romans) · 21절
- 1 Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
- 2 Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
- 3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy.
- 4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
- 5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
- 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
- 7 raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana;
- 8 raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana.
- 9 Aoka ny fitiavana ho amin’ ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ ny tsara.
- 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ ny fifanomezam-boninahitra.
- 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo.
- 12 Mifalia amin’ ny fanantenana; miareta amin’ ny fahoriana; mahareta amin’ ny fivavahana.
- 13 Miantrà ny olona masìna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
- 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
- 15 Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.
- 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
- 17 Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra.
- 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra.
- 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.
- 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.
- 21 Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗