로마서 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 로마서 (Romans) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. | I beseech you therefore, brethren, by the mercies of God, that ye present your bodies a living sacrifice, holy, acceptable unto God, which is your reasonable service. |
| 2 | Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. | And be not conformed to this world: but be ye transformed by the renewing of your mind, that ye may prove what is that good, and acceptable, and perfect, will of God. |
| 3 | Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy. | For I say, through the grace given unto me, to every man that is among you, not to think of himself more highly than he ought to think; but to think soberly, according as God hath dealt to every man the measure of faith. |
| 4 | Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, | For as we have many members in one body, and all members have not the same office: |
| 5 | dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. | So we, being many, are one body in Christ, and every one members one of another. |
| 6 | Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; | Having then gifts differing according to the grace that is given to us, whether prophecy, let us prophesy according to the proportion of faith; |
| 7 | raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana; | Or ministry, let us wait on our ministering: or he that teacheth, on teaching; |
| 8 | raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana. | Or he that exhorteth, on exhortation: he that giveth, let him do it with simplicity; he that ruleth, with diligence; he that sheweth mercy, with cheerfulness. |
| 9 | Aoka ny fitiavana ho amin’ ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ ny tsara. | Let love be without dissimulation. Abhor that which is evil; cleave to that which is good. |
| 10 | Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ ny fifanomezam-boninahitra. | Be kindly affectioned one to another with brotherly love; in honour preferring one another; |
| 11 | Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo. | Not slothful in business; fervent in spirit; serving the Lord; |
| 12 | Mifalia amin’ ny fanantenana; miareta amin’ ny fahoriana; mahareta amin’ ny fivavahana. | Rejoicing in hope; patient in tribulation; continuing instant in prayer; |
| 13 | Miantrà ny olona masìna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. | Distributing to the necessity of saints; given to hospitality. |
| 14 | Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. | Bless them which persecute you: bless, and curse not. |
| 15 | Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany. | Rejoice with them that do rejoice, and weep with them that weep. |
| 16 | Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. | Be of the same mind one toward another. Mind not high things, but condescend to men of low estate. Be not wise in your own conceits. |
| 17 | Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra. | Recompense to no man evil for evil. Provide things honest in the sight of all men. |
| 18 | Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra. | If it be possible, as much as lieth in you, live peaceably with all men. |
| 19 | Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah. | Dearly beloved, avenge not yourselves, but rather give place unto wrath: for it is written, Vengeance is mine; I will repay, saith the Lord. |
| 20 | Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany. | Therefore if thine enemy hunger, feed him; if he thirst, give him drink: for in so doing thou shalt heap coals of fire on his head. |
| 21 | Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy. | Be not overcome of evil, but overcome evil with good. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL