레위기 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 55절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah.
- 3 Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
- 4 fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah; aza mamafy amin’ ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
- 5 Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’ izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ ny tany izany.
- 6 Ary izay maniry ho azy amin’ ny sabatan’ ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
- 7 sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin’ ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
- 8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
- 9 Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito; dia amin’ ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ ny taninareo.
- 10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.
- 11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’ izay tsy namboarinareo;
- 12 fa Jobily izany ka ho masìna ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
- 13 Amin’ izany taona Jobily izany dia samy hody amin’ ny taninareo avy ianareo.
- 14 Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin’ ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
- 15 araka ny isan’ ny taona aorian’ ny Jobily no hividiananao amin’ ny namanao; ary araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
- 16 Araka ny hamaron’ ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin’ ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
- 17 Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an’ Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- 18 Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin’ ny tany ianareo.
- 19 Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
- 20 Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin’ ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
- 21 dia hataoko aminareo ny fitahiako amin’ ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ ny telo taona.
- 22 Ary hamafy amin’ ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan’ ny taona fahasivy; mandra-pahatongan’ ny vao no hihinananareo ny tranainy.
- 23 Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
- 24 Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin’ ny tany rehetra izay lovanareo.
- 25 Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ ny rahalahiny.
- 26 Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
- 27 dia aoka hanisa ny taona hatramin’ ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an’ ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin’ ny taniny izy.
- 28 Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan’ ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan’ ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin’ ny Jobily, ka hody amin’ ny taniny ralehilahy.
- 29 Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’ izany no hahazoany manavotra azy.
- 30 Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an’ izay nividy azy sy ho an’ ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ ny Jobily aza.
- 31 Fa ny trano ao amin’ ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin’ ny Jobily.
- 32 Kanefa ny amin’ ny tanànan’ ny Levita, ny trano ao amin’ ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
- 33 Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin’ ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ ny Levita dia lovany ao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
- 34 Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
- 35 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
- 36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’ Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
- 37 Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
- 38 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
- 39 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
- 40 fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ ny taona Jobily no hanompoany anao.
- 41 Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa.
- 42 Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
- 43 Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an’ Andriamanitrao.
- 44 Ary ny amin’ izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin’ ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
- 45 Ary amin’ ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin’ ny taranany izay haterany eo amin’ ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
- 46 Ary hataonareo lovan’ ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
- 47 Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin’ ny vahiny eo aminao, na amin’ ny taranaky ny vahiny;
- 48 na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin’ ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
- 49 na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’ olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
- 50 Ary dia hisainy amin’ izay nividy azy hatramin’ ny taona nivarotana azy ka hatramin’ ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan’ ny taona; dia ara-kevitry ny andron’ ny mpikarama no hiheverana azy.
- 51 Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin’ ny vola vidiny teo aloha.
- 52 Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan’ ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
- 53 Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
- 54 Ary raha tsy voavotra amin’ izay izy, dia ho afaka amin’ ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
- 55 Fa mpanompoko ny Zanak’ Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗