레위기 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 23절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
- 3 Eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ ny trano-lay fihaonana, no handaharan’ i Arona azy, hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina, eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany.
- 4 Eo amin’ ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
- 5 Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin’ ny folo; roa ampahafolon’ ny efaha no hatao mofo iray.
- 6 Ary mandahara ireo eo ambonin’ ny latabatra tsara eo anatrehan’ i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
- 7 Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin’ ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
- 8 Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah; ho avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
- 9 Ary ho an’ i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’ izay fitoerana masìna; fa masìna dia masìna ho an’ ny mpisorona izany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo: lalàna mandrakizay izany.
- 10 Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ ny Zanak’ Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
- 11 Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy);
- 12 ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin’ i Jehovah.
- 13 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 14 Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
- 15 Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’ Andriamaniny dia ho meloka,
- 16 Fa izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
- 17 Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
- 18 Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon’ ny biby.
- 19 Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
- 20 tapaka solon’ ny tapaka, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ ny olona no hatao aminy kosa.
- 21 Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
- 22 Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- 23 Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia navoakany teny ivelan’ ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗