느헤미야 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 느헤미야 (Nehemiah) · 19절
- 1 Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ ny Jiosy rahalahiny.
- 2 Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin’ ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
- 3 Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
- 4 Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
- 5 Kanefa mba tahaka ny nofon’ ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin’ ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
- 6 Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
- 7 Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
- 8 Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin’ ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
- 9 Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika?
- 10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
- 11 eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin’ olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton’ ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
- 12 Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
- 13 sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’ Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin’ ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an’ i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
- 14 Ary koa, hatramin’ ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ ny tany Joda, dia hatramin’ ny taona faharoa-polo ka hatramin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, dia roa ambin’ ny folo taona izay, izaho sy ny raha! ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman’ ny governora.
- 15 Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra.
- 16 Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
- 17 Ary teo amin’ ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin’ ny firenena manodidina anay.
- 18 Ary ny namboarina ho ahy isan’ andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman’ ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
- 19 Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ ity firenena ity.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗