느헤미야 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 느헤미야 (Nehemiah) · 17절
- 1 Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’ i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
- 2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’ i Jerosalema ka hanimba ny asa.
- 3 Dia nivavaka tamin’ Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’ alina noho ny fahatahoranay azy.
- 4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.
- 5 Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa.
- 6 Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,
- 7 dia nasiako olona teo amin’ ny fitoerana ambany, teo ivelan’ ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka.
- 8 Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.
- 9 Ary nony ren’ ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan’ Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin’ ny manda izahay rehetra, samy ho amin’ ny asany avy indray.
- 10 Ary hatramin’ izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman’ ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ ny fianakaviana rehetra amin’ ny Joda.
- 11 Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin’ ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.
- 12 Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin’ ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako.
- 13 Ary hoy izaho tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin’ ny manda isika ka mifanalavitra.
- 14 Koa eo amin’ izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
- 15 Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin’ ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana.
- 16 Ary tamin’ izany andro izany dia hoy koa aho tamin’ ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.
- 17 Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗