누가복음 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 39절
- 1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;
- 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
- 3 Ary niditra teo amin’ ny sambokely anankiray izay an’ i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
- 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’ i Simona: Mandrosoa ho any amin’ ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
- 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
- 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
- 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
- 8 Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
- 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ ny hazandrano izay azony.
- 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’ i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’ i Simona: Aza matahotra; hatramin’ izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
- 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’ i Jesosy.
- 12 Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
- 13 Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin’ izay.
- 14 Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
- 15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ ny aretiny.
- 16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
- 17 Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
- 18 Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin’ ny fandriana, izay mararin’ ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
- 19 Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin’ ny fandriany ho eo afovoan’ ny olona, dia teo anatrehan’ i Jesosy.
- 20 Ary raha hitan’ i Jesosy ny finoan’ ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
- 21 Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
- 22 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
- 23 Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
- 24 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka ― dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
- 25 Ary tamin’ izay dia nitsangana teo anatrehan’ ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an’ Andriamanitra.
- 26 Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’ Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
- 27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
- 28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
- 29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’ i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
- 30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ ny mpianatr’ i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
- 31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
- 32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
- 33 Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr’ i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
- 34 Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan’ ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
- 35 Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izany andro izany vao hifady izy.
- 36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ ny tonta.
- 37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
- 38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
- 39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗