누가복음 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 44절
- 1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masìna dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
- 2 ka nalain’ ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’ izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
- 3 Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
- 4 Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona.
- 5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao.
- 6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
- 7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
- 8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
- 9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
- 10 fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
- 11 Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
- 12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao.
- 13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
- 14 Ary Jesosy niverina tamin’ ny herin’ ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ ny tany rehetra manodidina ny lazany.
- 15 Ary Izy nampianatra teny amin’ ny synagogan’ ny olona ka nankalazain’ izy rehetra.
- 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
- 17 Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
- 18 Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
- 19 Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah.
- 20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga.
- 21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
- 22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’ i Josefa va Ity?
- 23 Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ ny taninao koa.
- 24 Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ ny taniny.
- 25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ ny tany rehetra;
- 26 nefa tsy mba nirahina ho any amin’ ny anankiray tamin’ ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’ izay vehivavy mpitondratena.
- 27 Ary maro no boka teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
- 28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ ny synagoga, raha nandre izany,
- 29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ ny havoana niorenan’ ny tanàna, mba hazerany amin’ ny hantsana.
- 30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
- 31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ ny Sabata.
- 32 Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
- 33 Ary nisy olona tao amin’ ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ ny demonia maloto, dia niantso tamin’ ny feo mahery izy
- 34 ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
- 35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
- 36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
- 37 Ary niely teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazany.
- 38 Ary nony nitsangana niala tao amin’ ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona. Ary azon’ ny tazo mafy ny rafozam-bavin’ i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
- 39 Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’ izay izy ka nanompo azy ireo.
- 40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin’ izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
- 41 Ary nisy demonia nivoaka tamin’ ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
- 42 Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
- 43 Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
- 44 Ary Izy nitori-teny tao amin’ ny synagoga eran’ i Galilia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗