고린도후서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도후서 (2 Corinthians) · 17절
- 1 Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’ alahelo.
- 2 Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
- 3 Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’ izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
- 4 Fa tamin’ ny haben’ ny fahoriana sy ny alahelon’ ny foko no nanoratako taminareo tamin’ ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
- 5 Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
- 6 Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro,
- 7 ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin’ ny fitomboan’ alahelo izany olona izany.
- 8 Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ ny fitiavana izy.
- 9 Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
- 10 Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’ i Kristy,
- 11 fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
- 12 Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’ i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ ny Tompo,
- 13 dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
- 14 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
- 15 Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:
- 16 amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany?
- 17 Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗