고린도후서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도후서 (2 Corinthians) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’ alahelo. | But I determined this with myself, that I would not come again to you in heaviness. |
| 2 | Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany? | For if I make you sorry, who is he then that maketh me glad, but the same which is made sorry by me? |
| 3 | Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’ izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa. | And I wrote this same unto you, lest, when I came, I should have sorrow from them of whom I ought to rejoice; having confidence in you all, that my joy is the joy of you all. |
| 4 | Fa tamin’ ny haben’ ny fahoriana sy ny alahelon’ ny foko no nanoratako taminareo tamin’ ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra. | For out of much affliction and anguish of heart I wrote unto you with many tears; not that ye should be grieved, but that ye might know the love which I have more abundantly unto you. |
| 5 | Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa. | But if any have caused grief, he hath not grieved me, but in part: that I may not overcharge you all. |
| 6 | Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro, | Sufficient to such a man is this punishment, which was inflicted of many. |
| 7 | ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin’ ny fitomboan’ alahelo izany olona izany. | So that contrariwise ye ought rather to forgive him, and comfort him, lest perhaps such a one should be swallowed up with overmuch sorrow. |
| 8 | Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ ny fitiavana izy. | Wherefore I beseech you that ye would confirm your love toward him. |
| 9 | Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ ny zavatra rehetra ianareo, na tsia. | For to this end also did I write, that I might know the proof of you, whether ye be obedient in all things. |
| 10 | Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’ i Kristy, | To whom ye forgive any thing, I forgive also: for if I forgave any thing, to whom I forgave it, for your sakes forgave I it in the person of Christ; |
| 11 | fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny. | Lest Satan should get an advantage of us: for we are not ignorant of his devices. |
| 12 | Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’ i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ ny Tompo, | Furthermore, when I came to Troas to preach Christ’s gospel, and a door was opened unto me of the Lord, |
| 13 | dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia. | I had no rest in my spirit, because I found not Titus my brother: but taking my leave of them, I went from thence into Macedonia. |
| 14 | Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay. | Now thanks be unto God, which always causeth us to triumph in Christ, and maketh manifest the savour of his knowledge by us in every place. |
| 15 | Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very: | For we are unto God a sweet savour of Christ, in them that are saved, and in them that perish: |
| 16 | amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany? | To the one we are the savour of death unto death; and to the other the savour of life unto life. And who is sufficient for these things? |
| 17 | Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy. | For we are not as many, which corrupt the word of God: but as of sincerity, but as of God, in the sight of God speak we in Christ. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL