고린도전서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 23절
- 1 Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’ izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’ izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’ i Kristy.
- 2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
- 3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ ny olona?
- 4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an’ i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’ i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
- 5 Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ ny Tompo azy avy.
- 6 Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
- 7 Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
- 8 Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
- 9 Fa mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izahay; ary sahan’ Andriamanitra sy trano arafitr’ Andriamanitra ianareo.
- 10 Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
- 11 Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
- 12 Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ ny fanorenana,
- 13 dia haseho avokoa ny asan’ ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ ny afo ny asan’ ny olona rehetra.
- 14 Raha maharitra ny asan’ ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
- 15 Raha ho levon’ ny afo ny asan’ ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ ny afo ihany izy.
- 16 Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
- 17 Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa izy; fa masìna ny tempolin’ Andriamanitra, dia ianareo izany.
- 18 Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’ izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
- 19 Fa ny fahendren’ izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy.
- 20 Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany
- 21 Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
- 22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
- 23 ary ianareo an’ i Kristy ary Kristy an’ Andriamanitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗